Actus Mada

Ela no niandrasana an'Ambatobevohoka

10 Mai 2010 , Rédigé par madagasikara-afaka Publié dans #Articles

Ho avy tsy ho ela ohatra ny volan'ny CNAPS izay ilay fomba fiteny rehefa misy zavatra ampanantenaina nefa toa fantatra fa tsy ho tanteraka mihitsy.

 

Gouvernemanta ho an'ny firaisam-pirenena

Vao voatendry ho Praiministra ny Kolonely Camille Vital (izay efa lasa Jeneraly moa amin'izao) dia nampanantena sy nanao fanambarana fa hanangana ny Governemanta ho an'ny firaisam-pirenena. Nanantitratitra hatrany hatrany ity Praiministry ny FAT ity fa dia efa mandeha ny fifanantonana amin'ny ankolafin-kery rehetra, efa miroso ny fananganana ny listra. Talohan'ny nanambarana fa hisy fihaonana eo amin'ny izy efa-dahy mirahalahy mianaka any Joanesburgh dia efa nanambara ity Praiministra ity fa hitsangana ny gouvernemanta ho an'ny firaisam-pirenena izay isan'ny teboka iray ao anatin'ny fepetra hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena.

Taorian'ny fihaonana tany Pretoria, dia fantatra fa nanao amboletra andriamatoa Rajoelina ny hanangana gouvernemanta iraisan'ny miaramila sy sivily teknisiana, izay noheveriny fa tetika hahomby ahafahany hiala amin'ny fifanarahana sy fandaminana takian'izao tontolo izao. Indrisy anefa fa dia nandà ny Tafika sy ny foloalin-dahy ny handray anjara amin'izany gouvernemanta zany.

Dia tsy nety teraka ihany ilay governemanta hatramin'izao, ary dia andrasana fatratra indray ny famoahana izan gouvernemanta izay rapitso talata 10 mey 2010.

 

Efa ela no niandrasana an'Ambatobevohoka fa toa tsy nety tonga ihany, sa io ilay hoe ho avy tsy ho ela ohatra ny volan'ny CNAPS e

 

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article