Actus Mada

POTIKA TANTERAKA NY TANINDRAZANA

1 Mai 2011 , Rédigé par madagasikara-afaka Publié dans #Articles

Avelao hifidy an-dRajoelina izay tsy mahita an’izany satria jamban’ny vola maloto. Maloto satria azo tamin’ny lavadavaka no sady volam-bahoaka madio mangatsakatsaka, nisasarany sy namonony tena. Ohatra iray ihany dia ampy hanamarinana an’izany voalaza izany.



Natao daholo izay sitrapo mba hakana ny fon’ny vahoaka: afomanga, lapan’ny tanàna, kianja filalaovam-baolina, kianja goavana fanaovana fampisehoana etsy Analamahitsy, hopitaly (io angamba mba azo hiafiana ihany), vary mora, siramamy mora, trano mora, na ny làlana nalebiazina aza nihatery …sns. Fa ny tena mamohehatra mampiteny ny maty dia ity namonoana ireto mpianatra amin’ny ambaratonga ambony eny amin’ny anjery manontolo ka tsy nahafahan’izy ireo namita ny taom-pianarana 2010 – 2011. Tsy nomena manko ny teti-bola tokony hampandeha ny oniversite ka nikatso ny fampianarana. Na stylo iray aza tsy azo, manginy fotsiny ny karama sy tambi-karama ho an’ireo mpampianatra mpikaroka izay nogiazana, ka rehefa nikomy ireo mpampianatra dia avy hatrany dia notondroina ho tsy tia tanindrazana sy mamono taranaka. Hono oahao, raha izany no tsy mahatafita ny zanaka, tsy tokony ireo ray amandreny mandray ampolo-tapitrisa maro sahady mihambo ho tia tanindrazana ve no mba miafy tsy mandray afa tsy ny hampahany amin’ny volany hamonjena ny tanora tompon’ny rahampitso? Tsy tokony najanona ve ireny fety rendrarendra ireny ? Tsy aleo ve nahemotra ny fanatanterahana ireny atrik’asa goavana tsy misy maha maika ireny ? Marina fa mahasoa ireo tanora ny hahavitana ireny kanefa ny fianarana anie no voalohan-karena e! Toa izay indrindra anefa no voamaika nanaovana tsy rambina ny amin’izy ireo. “Mitomania ry taniko !”



Vola manao ahoana no lany tamin’ny nanaovana fihaonambem-pirenena nisesisesy hiresahana ny tombotsoan’ny mpanao politika fotsiny, nefa ny vahoaka tsy manan-kohanina intsony, tsy afa-mitsabo tena noho ny aretina, maty noho izany! Ary jereo ireto mpanao politika midehadehaka sy matavy mihoatra ny mety, na sivily na miaramila, tsy mipai-tany noho ny voninahitra sy tombotsoa mihoapapana eo ampelatanany. Izao no “mandatsa vahoaka” raha “manjaka vahoaka” no tanjona!



Hanontanio ireo mpandraharaha, ireo mampiasa tena, ireo mpiasa panjakana, ireo mpitsabo, ary indrindra ireo tantsaha izay efa mba nanana farim-piainana avoavo kokoa roa taona lasa izay, hanontanio ireo rehetra ireo aiza ho aiza ny fianany ankehitriny ?

Maharary, mahamenatra, manafintohina, tsy everina ho olona intsony ny Malagasy fa biby ampahatra! Madagasikara anie ao anatin’ny tany telo mahantra indrindra e ! Haïti tany vao noravàn’ny horohoron-tany vao tsy ela no sady naripaky ny valan’aretina kolerà amin’arivoarivo ny mponina tao, kanefa dia maharesy antsika eo amin’io laharana misy ny tany mahantra indrindra io. Mandiniha tena tompoko, ary mahareta izay maharitra !!!



Par : rov@higa

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article