Actus Mada

Ny fahefan'ny Vahoaka

17 Avril 2010 , Rédigé par madagasikara-afaka.over-blog.com Publié dans #Articles

Ambetitenin'ireo mitazona ny fitondrana ankehitriny ny hoe averina amin'ny Vahoaka ny fahefana.

Inona marina moa nefa izany hoe fahefana mety omena ny vahoaka izany ?

1 - Fahefana hifidy sy hametraka izay olona heveriny fa hahavita sy hahay hampandroso ny firenena, hanatsara ny fari-piainana, hanatsara ny tontolo andavan'andro

2 - Ny Vahoaka mpandoa hetra no manakarama ireo izay napetrany sy nofinidiny, ka manana fahefana izy hitsikera, hanala raha ilaina izay tsy mahavita ny adidy napetraka taminy, na koa ireo izay mivily làlana ka mampiasa ny fitokisana nomena azy amin'ny zavatra hafa (halatra, fanodikodinana, fanaovana didikofehy lehibe, ...)... Afficher davantage

3 - Manana fahefana ny vahoaka indrindra indrindra hanesotra izay olona naka ny toerana misy azy tsy tamin'ny alalan'ny fanendren'ny vahoaka, adika amin'ny teny mazava IREO MPANONGAM-PANJAKANA.

4 - Ireo rehetra izay miasa amin'ny andrim-panjakana sy mpiasam-panjakana, izany hoe ny Fanjakana malagasy no mandoa ny tambin-karamany dia natao hanompo vahoaka satria ny vahoaka no mandoa koa izany karamany izany. Ka manana fahefana ny vahoaka tsy hanome azy izany karama izany intsony raha tsy mifanaraka amin'ny adidy sy andraikitra nomena azy ny zavatra ataony.

Adika amin'ny teny mazava : ny mpitandro filaminana zary manao asa famoretana sy famonoana an-kitsirano ny vahoaka izay mampiasa azy, ny mpiasam-panjakana izay tsy miasa raha tsy misy kolikoly, na fahafantarana olona.

Un dictateur n'a pas de concurrent à sa taille tant que le peuple ne relève pas le défi.
[François Miterrand] Extrait du livre "Le coup d'état permanent"

Adika amin'ny teny mazava :
Tsy manana mifanandrina mitovy lanja amin'ny ny mpanao jadona raha tsy ny vahoaka no mientana hiantsy azy.

Partager cet article
Repost0
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article